« Une pensee pour bebe Kamba | Page d'accueil | Ny blaogiko, ilay zaridainako hafa iray »

20.06.2008

Ny blaogiko, ilay zaridainako hafa iray

Eny ary, tapa-kevitra ny tenako amity indray mitoraka ity hanoratra amin'ny tenin-drazako. Cyberfety hono rahampitso, nahoana moa ny tenako no tsy afaka hanao ezaka?

Raha nifoha aho io maraina io dia nieritreritra ny adin-tsaina lalina niainako andro vitsivitsy lasa izay. Fotoana fanaovana zaridaina izao, mafana ny andro, mba nitsahatra ny orana lava reny dia araraotina aoka izany ny fandehanana ao an-tokotany. Etsy an-daniny anefa ilay 'tokotany' firiariavako hafa iray, dia ny tontolon'ny blaogy izany, manintona ahy mafy dia mafy. Inona ary no ho ataoko? Tsy dia mety azo ampiarahina ireo fa tsy maintsy misafidy iray ny tenako. Na hamboly sy hikolokolo voninkazo ao an-jaridaina na hipetraka eto am-body solotsaina hi-blaogy. Ny andro koa fohy dia fohy ka tsy misy ny fotoana ivalamparana anaovana izay rehetra mba tiana atao. Esy e ... fiainana daholo hono izany.

Roa volana monja sisa dia ho avy indray ny hatsiaka. Raha atao ny kaonty tsotra dia tsotra dia tsy hanam-potoana firy mihitsy izany ny tenako hanaovana zaridaina. Tsy ataoko maha-krizy izany fa dia raisiko ary ny fanapaha-kevitra tsotra: araraoty ny fotoana, araraoty, araraoty! Ny blaogy ve? Tsy handositra io akory fa hijanona eo foana. Angamba tsara tondrahana sy asina zezika tsindraindray ihany, tsy dia hoe isan'andro akory. Saingy ireo voninkazo ao an-tokotany hafa ihany, tokana an-tany. 

Dia toy izany no nahatonga ity eritreritra ity androany: ny blaogiko anie, tsy inona akory fa ilay zaridainako hafa ihany e! Nahavariana ahy izany. Tiako loatra e, tiako loatra ka nilaiko noraketina an-tsoratra eto.

Mazotoa ary mamboly sy mikolokolo zaridaina daholo o!  

Flower.jpg

 

 

 

Commentaires

rahampitso izany isika mifampizara fikolokoloina zaridaina an!

Ecrit par : ikalakely | 20.06.2008

mahavitA be ary e

Ecrit par : Rajiosy | 20.06.2008

saika adinoko : tsy maintsy iresahana hono ny voninkazo raha tsy izany tsy maniry tsara !

Ecrit par : Rajiosy | 20.06.2008

e e! hararaotina mihitsy ty andro mba misy masoandro miposaka sy mafana ity, volena daholo izay tia mba haniry: légumes sy voankazo; faly ery kalabozinay mandrozy azy; na dia kely dia kely aza ny zaridaina -) hatao e! Vidina daholo zay folera mba tokony haniry, izay kosa angamba tsy mahay miresaka @voninkazo, tsy mety maniry mihitsy ny ao an-trano.

Ecrit par : Mitia | 23.06.2008

Rajiosy> misaotra e, nareo angaha tsy mba??? Ie, miezaka miresaka am voninkazo ato. Mba mety ihany aloha ny ankamaroany fa nisy hafa tsy nipoitra mihitsy hatramizao, tsy namely le voa nafafy tsy ampy zezika angamba tsy haiko

Mitia> Tonga soa maman'i kalabozy :-) Ie ny anay mba mety tsara ny folera fa ny legumes izay vao mba nipoitra. Asa hanao ahoana mba hamokatra ihany amity taona ity. Le folera ao an-trano sao dia maty tondrak'i kalabozy? Hitako ihany mantsy le fanondrahan-dry papozy, tonga dia direkta be sady tonga dia eraky ny seau!

Ecrit par : miangaly | 24.06.2008

tratrin'ny 26 ary e! miverina kely eto ndray fa naniry ny voninkazonay; tena tsara hono io @tsika gasy, moa rehefa tsy maniry ny vonikazo ao antrano -toa anay taloha-dia ratsy; dia avy eo mbola manao bouture koa zà any ampiasana fa maniry be ny an'ny mpiaramiasa any dia notapahako natao anaty vera dia efa manomboka mitsiry, miandry kely alohan'ny hentina mody hambolena; ny anay aloha reny mora volezina reny e toa lierre na ficus, tsy mila dia tondràna loatra, sady kalabozy hendrasana mba tsy handrava.
Mandrapihaona ndray ô

Ecrit par : Mitia | 26.06.2008

eee! je n'ai pas la main verte. Et vivre en appart n'arrange pas les choses :((.

A tanà j'avais quelques orchidées mais maintenant plus personnes ne s'en occuppent. Trop triste alors qu'on les a cueilli nous même :(((


rajiosy: za miresaka @voninkazo! plutôt za miteny rery matetika dia lasa miresaka @voninkazo rehefa manondraka azy :)

Ecrit par : maintikely | 03.07.2008

Ecrire un commentaire